]
Les quotidiens du 17 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

Alahady 28 Avrily 2024. Izao aminy 9 ora maraina izao aho no manoratra rehefa avy nolazain’ny zanako fa “lasa” i Lalie.

LALIE LOUISE HANITRINIALA ANDRIAMAZAVA no anarany feno. Ny taona 1996 izy no tonga dia nalaza tamin’ilay hirany “Miaraka aminao”. Avy eo nanao “cabarets” maro sy nampiaram-peo tamina mpihira betsaka… Nanambady izy ary nanomboka ny taona 2010 tany dia tsy hita sy tsy ren’ny mpankafy azy intsony i Lalie izay eny an-dalana eny sisa no mba nifanena sy ny fampiarahaba…


Ny taona 2023 indray izy vao nipoitra saingy efa nokikisana aretina izay nandavo azy izao maraina izao.


Izay no lahatra. Fomba fiteny tokoa satria inona moa izany 48 taona niainany raha oharina amin’ny 70 taonako mbola manoratra izao ? Saingy nangirifiry loatra i Lalie ka nalehon’ny Ray Tsitoha nampitsahatra izany irifiry izany ka handry am-piadanana miandry ny fitsanganan’ny fanahiny.


Ho antsika kosa, fianakaviana, havana, tapaka sy namana dia io sary io no atolotro ka io no hahatsiarovan-tsika an’i Lalie “kely”. Io “Coupe garçon” io no tena nahitan-tsika an’i Lalie.
VELOMA LALIE A !


Jeannot Ramambazafy


* * * * * *


VELOMA NAMAKO


Mba satriko aho hitsiky, kanefa te hisento,
anatiko ao mazàna, ito ora fisarahana.
Ka satriko aho hiala, tsy hijanona ela eto,
ho vetivety dia ho tonga amin'ny ora hiarahana.

tsy tantiko ianareo ny hijery ahy handao,
fa ndrao dia hankarary ny ato anatiko ny tsiahy;
mba satriko eny manko! mbola hitohy ny kilalao,
hifamerenan-tsika ho amin'ny sangisangy indray.

aleoko dia mangina, tsy hijery raha handeha,
tsy te hahita akory mason'olona mangaina;
fahatsiarovana sy sento, any anaty, tsy mba re;
sisa mihatra anaty fo sy mandranitra ny saina.

any mbola hiaona! ilay andro nantenaina,
veloma sy masina ry namana tsy foy;
diana sakaiza niara-dàlana ela manko,
sarotra adinoina, ka antenaiko hifanjoy.

ny andro no hifandimby, diavolana ho lava,
kilalao mbola ho ela, fa ny teny hofaranako;
na satry hitafatafa sy mbola hitabataba;
aleo dia mifandao, koa veloma re ry namako.

CEDARF

 

* * * * * *

ANJAHANARY, 1 MEY 2024. MANDRIA AM-PIADANANA LALIE A !


Tsindrio eto raha hiaino an’i Lalie

MISY TSIKINAO ‘ZAY

Misy tsikinao ’zay

Tsy hay akifika

Fa midongy ao

Ao an-tsaiko ao

Mikorana mora

Ao am-poko ao

Isan’andro ’zao !

’Lay tsiky kely mahasosotra ahy

Tia manaraka ahy

’Lay tsiky kely manadala ahy

Tsy mahasaraka ahy

Misy hiranao ’zay

Misy hiranao ’zay

Tsy hay adinoina

Fa mivazo ao

Ao an-tsaiko ao

Miresaka fitia

Ao an-poko ao

Isan’andro ’zao !

’Lay tsikinao adaladala ’zay

Tia manaraka ahy

’Lay hiranao hafahafa ’zay

Tsy mahasaraka ahy

Tiako sy iriko

Mba hijanona ao

Ao anatiko ao !

Mis à jour ( Jeudi, 02 Mai 2024 17:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques