]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana

Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana

Efa niainako ireo vanim-potoana fanovana fitondrana tsy tamin’ny alalan’ny fifidiam-bahoaka (izay no fototry ny Demokrasia) nandalovan’ity Tanindrazana malala ity, fa ny foto-pisainan’ny olona sasany miseho azy mahay politika dia tsy miova hatramin’izao voalohan’ny volana Febroary 2026 ity.

Iza no tena adala ary ? Ireo efa fantatra mazava fa adala sa ireo minia te-handresy lahatra olona efa voaporofo (amin’ny fihetsika sy fiteny) fa adala. Fa inona tokoa moa ny azo hamaritana ny olona hoe “adala” ?

Io voambolana io dia entina milaza olona very saina, simba na marary saina, any ka tsy mahay miady hevitra ary tsy mahay misafidy. Ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika no mety mahalasa adala. Mazava angamba ireo... fanazavana ireo.

Tsy ho resahiko eto ny hoe fanongam-panjakana na “coup d’Etat”. Ny tena filaza marina dia “Changement anticonstitutionnel de gouvernement” na Fanovana governemanta tsy araka ny Lalàmpanorenana. Tamin’ny volana oktobra 2026 dia ingahy Florent Rakotoarisoa no nanolana ankitsirano ny Lalampanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara faha-IV.

Tsy izay moa ny anton’ity lahatsoratra ity ka afaka miandry ny tantarany (ary tantara tokoa !), fa tsiahiviko fotsiny f’efa tamin’ny taona 1992 ingahy Florent Rakotoarisoa no efa mpikambana tao amin’ny HCC (« Haute Cour Constitutionnelle ») ary izy no nisolo toerana an’i Jean Eric Rakotoarisoa, ho Filohan’ny HCC ny taona 2021. Tsy misy rohim-pihavanana akory izy mirahalahy ireo fa ny anarana tanim-boanjo.

Ny fototry ny asa fanaovan-gazety indray, ankoatra ny fanomezam-baovao, dia fampianarana ihany koa. Ka inona tokoa moa izany hoe « Demokrasia » izany ?

Ny Demokrasia dia mifototra amin'ny fiandrianam-pirenena miala amin’ny vahoaka (ny fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka).

Ny fototra iorenany izany dia ny fifidianana malalaka sy ara-dalàna, ny fahasamiafan-kevitra ara-politika, ny fanjakana tan-dalàna, ny fisaraham-pahefana (mpanatanteraka, mpanao lalàna, fitsarana) ary ny fiantohana ny zon’olombelona.

No izany rehetra izany dia izao no famintinana azy : ny Demokrasia dia mikendry ny hiantoka ny firaisankina ara-tsosialy, ny fiarovana ireo vitsy an'isa ary ny maha-olona.


Madagascar dia Repoblika nanomboka ny 14 oktobra 1958 fa ny 26 Jona 1960 vao naverina taminy ny Fahaleovantenany nananany talohan’ny 6 Aogositra 1896. Taty aoriana, n’inona n’inona no anarany dia Demokrasia foana no nitoetra satria tamin’ny alalan’ny fifidiana hatrany no lasa Filoham-pirenena ry Philibert Tsiranana, Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana, Hery Rajaoanarimampianina sy Andry Rajoelina. Ary tamin'ny Repoblika faharoa nentin"ny Amiraly Ratsiraka dia Repoblika Demokratikan'i Madagasikara mihitsy no anaran'ny Repoblika malagasy faharoa (1975-1992).

Teo anelanelan’ny fitondrana ireo Filoha voafidim-bahoaka anefa dia nisy ny atao hoe “Tetezamita", dia taorian’ny tranga tamin’ny 1972, 1990-1991, 1996, 2002, 2009 ary 2025. Ho ataoko boky ny mikasika ireo vanim-potoana ireo.

Fa ny vontoatin’ity lahatsoratra ity dia ny resaka “Changement anticonstitutionnel de gouvernement” na “Fiovan'ny governemanta tsy araka ny lalàmpanorenana".

Ny 25 May 1963 dia efa mpikambana mpaorina ny OUA (“Organisation de l’Unité Africaine”) lasa UA (“Union Africaine”), ny 9 Jolay 2002, i Madagasikara.


Fa ireto aloha dia vitsy dia vitsy ny tanora malagasy -eny na ray aman-dreny sasany mihitsy aza- no mahalala ny fisiany. Nisy izany UAM (“Union Africaine et Malgache”) nitsangana ny volana septambra 1961. Ny tanjona tamin’izany dia ny hanamora ny firaisankina eo amin’ny samy firenena, ny hiadina amin’ny fahantrana (“sous-développement”) ary ny fifanampiana ara-kolontsaina. Tsy naharitra io UAM io fa novana ho OCAM (“Organisation Commune Africaine et Malgache”) izay lasa OCAMM (“Organisation commune africaine, malgache et mauricienne”) ary niverina ho OCAM indray rehefa niala tao ny firenena malagasy, ny taona 1973. Tena tantara ara-baki-teny.

Raha hiverenana amin’izay ny UA, dia fikambanan’ireo firenena miisa 55 ao amin’ny kaontinanta afrikana izy ity. Mazava ho azy fa manana ny satany sy lalana mifehy azy ary tsy maintsy hajain’ireo mpikambana ao aminy. Na dia nosy aza i Madagasikara sarotra ny hitoka-monina ara-sosialy, ara-ekonomika ary ara ara-politika. Tsy maintsy manaja sy mampiatra izay rehetra nosoniavina.

Ary dia misy ny atao hoe “Charte africaine de la Démocratie, des Elections et de la Gouvernance” (Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana) nosoniavin’ny firenena mpikambana rehetra tany Addis-Abeba (Ethiopie), ny 30 Janoary 2007. Ny andin’ny 23 ka hatramin’ny 26 no mifandray amin’ny zava-misy eto Madagasikara hatreto amin'izao voalohan’ny volana Febroary 2026 izao.


Samy miseho lalin-tsaina daholo, indrindra fa ao amin’ny facebook. Fa firy moa, amin’ireo “olon’ny fo” ireo no mahalala ny andininy faha-25/4 ?

« Les auteurs de changement anticonstitutionnel de gouvernement ne doivent ni participer aux élections organisées pour la restitution de l'ordre démocratique, ni occuper des postes de responsabilité dans les institutions politiques de l'Etat ».

Izao no dikatenin’io andininy 25/4 io :

Ireo tompon'andraikitra amin'ny fanovana governemanta tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana dia tsy tokony handray anjara amin'ny fifidianana nokarakaraina ho amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminana ara-demokratika, na hitàna andraikitra ao amin'ny andrim-panjakana ara-politika.


Mazava izany fa tsy mahazo milatsaka kandida ny Kolonely Randrianirina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena tsy maintsy ho tontosaina.

Efa nampiarina io andininy 25/4 io tamin’ny tranga 2009. Tsy nahazo nilatsaka ho kandida Filoham-pirenena na i Andry Rajoelina na i Marc Ravalomanana izay nosoloin’i Jean Louis Robinson, ny taona 2013 raha i Hery Rajaonarimampianina no nisolo an’Andriamatoa Rajoelina. Tantara hafa ny tohiny...

Fa ny tiana asongadina eto amin’ity lahatsoratra ity dia ny tsy maintsy hanajana ny fifanarahana rehetra nosoniavin’ny Firenena Malagasy. Saingy maro ireo “nahazo fahefana bôjo” no manao izay saim-pantany amin’izao fotoana izao, tsy te-halala fa mandrendrika ny firenena malgasy iray manontolo.


Fa mbola ao koa ny Firenena Mikambana na ONU (« Organisation des Nations Unies »). Madagasikara moa dia mpikambana ao nanomboka ny 20 Septambra 1960. Maro ireo tanora malagasy no mbola tsy teraka tamin’izany. Ahoana ny toeran’ny ONU eo anatrehin’ny tranga miseho eto Madagasikara? Izao:

Ny Firenena Mikambana dia manameloka mafy ireo fanovana tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana eo amin'ny governemanta, mihevitra azy ireo ho fanitsakitsahana ny foto-kevitra demokratika sy ny fanjakana tan-dalàna.

Ireto ny hevi-dehibe amin'ny hetsika ataon'ny Firenena Mikambana ho setrin'ny fanovana tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana :

Fanamelohana sy fandeferana aotra (“Condamnation et Tolérance Zéro”) : Ny Firenena Mikambana sy ny UA dia manohana ny politika tsy misy fandeferana, miara-miasa mba hisorohana ny fandikana ny Lalàm-panorenana.

Fanohanana ny Tetezamita : Natomboka ny “Fomba afrikanina ho an'ny fanohanana ny Tetezamita” mba hanohanana ireo firenena ao anatin'ny dingan'ny fiverenana amin'ny ara-dalàna voafaritry ny lalàmpanorenana.

Antony mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana : Nohamafisin’ny Firenena Mikambana fa ireo fiovana ireo dia miteraka firenena ipoiran’ny fampihorohoroana, ny fahantrana ary ny tsy fandriampahalemana.

Ny Firenena Mikambana dia manizingizina ny hanamafisana ny andrim-panjakana demokratika mba hisorohana ireo fahapotehana firenena iray ireo.

Jeannot Ramambazafy

03 Febroary 2026

Mis à jour ( Mardi, 03 Février 2026 13:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30