]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Claudine Razaimamonjy. Mitsangana miaro ny fahasahiana sy ny fahaleovantenan’ny BIANCO ny SMM

Claudine Razaimamonjy. Mitsangana miaro ny fahasahiana sy ny fahaleovantenan’ny BIANCO ny SMM

FANAMBARANA

Ny SENDIKA NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA (SMM - Syndicat des Magistrats de Madagascar) dia manao izao fanambarana izao fa amin’ny maha tany tan-dàlana an’i Madagasikara, dia:

- Mitaky izahay ny fampiharana ny làlana 2004-030 nivoaka ny 09 septambra 2004 mikasika ny Bureau indépendant anti-corruption na BIANCO, nasiam-panovana araka ny làlana 2016-022, izay miantoka ny fahaleovan-tenany tanteraka; mametraka ny tsy fitsabatsabahan’ny Fahefana Mpanantanteraka sy ny Fitsarana raha mbola eny anivon’ny fanadihadiana sy famotorana eny amin’io Sampan-draharaha io ny raharaha;

Noho izany tsy ekenay mba ho fampiharana io làlana io ny fitsabahana na iza na iza amin’io raharaha io fa aoka avela hiasa malalaka ny mpanao famotorana.

Satria, tsy mbola mahakasika ny Fitsarana ny raharaha ankehitriny, dia tandrovinay SMM izay tsy fitsabahana sy faneriterena ary ny tsindry rehetra amin’ny fotoana mety hahatongavan’io raharaha io ety amin’ny Fitsarana. Izahay dia hanara-maso akaiky izany.

- Tsy ekenay ny herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny Mpiasam-panjakana sy ny biraom-panjakana;

- Tsy manaiky lembenana amin’ny fanorohorona sy tsindry isan-karazany na avy amin’iza na avy amin’iza;

-Mamerina hatrany ny fametrahana ny fahaleovan-tena ny Fitsarana ary manameloka ny fomba rehetra atao hanohitohinana izany;

- Mamerina ihany koa ny maha tany tan-dàlana ny Firenena Malagasy araka ny ambetin-tenin’ny Filohan’ny Repoblika;

- Manamafy fa araka ny didy aman-dĂ lana dia tsy tokony hitsabahana ny raharaham-pitsarana ary tokony hajaina mandrakariva ny LĂ lam-panorenana sy ireo lĂ lana manan-kery rehetra;

- Manamarika ny SMM fa ny endrika fitsabahana amin’ny famotorana toy izao atao amin’ny BIANCO izao dia toherinay.

- Rehefa ho tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha dia hanara-maso akaiky ny fizotrany ny SMM.

- Raha nanao iny fanambarana iny ny Ministra dia ny heviny no nambarany fa tsy hevitrin’ny Mpitsara Malagasy;

Noho izany, miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony izahay Mpitsara mivondrona ato amin’ny Sendika.

Mankahery ny Mpitsara rehetra sy ny Tompon’andraikitra mpampihatra làlana rehetra ary mamporisika hatrany ny handraisan’izy ireo ny andraikitra izay napetraky ny làlana aminy: Mpitandro ny Filaminana ao anatin’izany.

Manohana tanteraka ny ezaka rehetra nataon’ny Tompon’andraikitra ny BIANCO amin’ny fametrahana ny tany tan-dàlana.

Miantso sahady ireo Mpitsara fa hisy fivoriambe tsy ara-potoana izay hatao.

Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray fepetra hanajanonana ny firongatry ny “vindictes populaires” izay mahazo vahana eto amin’ny firenena;

Misaotra indrindra.

Ny Birao

Antananarivo, 06 Avril 2017


**************

Minisitry ny Fitsarana


EO NY FANAMBARANA FENO

Mis Ă  jour ( Jeudi, 06 Avril 2017 17:06 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30