]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Hery Rajaonarimampianina. Dokam-barotra lavitra ny zava-misy tokoa e!

Hery Rajaonarimampianina. Dokam-barotra lavitra ny zava-misy tokoa e!

 

PEJY DOKAMBAROTRA REHEFA TSY NAHOMBY NY "ADY GASY" TAO AMIN'NY TVM. NY IRAY MIGADRA SATRIA NANGALATRA (Nivo Ratiarison izay mitsosotra any amina hopitaly iray); NY FAHAROA VOADAKA (ny minisitra Vonison Andrianjato). Aman’hetsiny ariary ny vola lany tamin’io pejy iray miloko io. Maty ny asan-gazety fa izay tiany ambara no amenoany io pejy io satria nialàna vola. Ary tsy gazety iray na roa… Hatramin'ny oviana? Ato aminy madagate.org aloha maimaim-poana e!

Niavaka tokoa aloha io olona manao solomaso fotsy io e. Fa inona tokoa moa ny vitany raha oharina an-dry Tsiranana, Ratsiraka, Zafy sy Ravalomanana? EPP, tranom-boky sy paompin-drano. Ny sisa, zavatra notokana nefa tsy vita hatramin'ny farany akory. Ary dia mihevitra ny hilatsaka hanao "mandat" faharoa indray, "hamita ny tsy vita". Tantara efa hita sy niainana izany, ary ratsy foana ny fiafarany

Mino ihany aho fa avy any amin’i Rolly Mercia (eo ankavia indrindra io ambony io), ilay nodakana dia nantsoina indray (hafa ny azy ny tena tarigetra, tsy omen-tsiny), ilay hevitra. Inona hoy ianareo? Efa ho efatra taona be izao, taorian’ny naha filoha an’i Hery vaovao, vao hoe azavaina, hono, ny fomba fiasan’ingahy filoha, izay « tsy mety mipaka eny amin’ny Malagasy tsirairay » e!

Dia mividy pejy iray manontolo amina gazety eto an-toerana mihitsy anie mba hanazavana izany e! Asa raha voavakinareo io ambony io fa raha izaho manokana, aminy maha olom-pirenena malagasy nifidy azy dia tsotra: tsara fa tara! Toa vao maika koa mandetika ity filoha ity ao anatin’ny tontolon’ny lainga tsara lahatra ilay izy.


Tsy mahalala na tsy mahatadidy? Ny "H" na Haitso dia milaza zavatra mbola ho atao. Izany hoe mbola any an-kibon'omby mandrapaha-tontosany. Mazava izany fa fsy ampy an'i Hery vaovao ny dimy taona Hanatontosana ireo. Ka dia miomana daholo fa hilatsaka ingahirainy ary hiditra amina zava-doza indray ny firenena malagasy. Satria hala-bato "en vrac" no hitranga...

Ny tokony ho izy anie dia tsotra e. Iza no nifidy azy? Tamin’ny alalàn’ny inona ary mitoetra eo amin’inona? Ny vahoaka no nifidy azy tamin’ny alalàn’ny fifidianana voafaritry ny Lalampanorenena. Io farany io no nanaovany fianianana fa ho hajainy sy tandremany toa ny anakandriamaso. Ary izy izany dia mpiasan’ireo vahoaka ireo izay NAMPINDRANA ny fahefana azy satria ny vahoaka ny Andriamanjaka («Le peuple souverain»).F'inona no teo, nanomboka tamin'ny andininy faha-54?

Ka aiza ho aiza ao anatin’io dokam-barotra io ary no misy hoe niera tamin’ny vahoaka izy, (amin’ny alàlan’ny solombavambahoaka) tamin’ny nanaovany ireo fifanarahana manome vahana ny vahiny, mba tsy tenenina hoe nivarotany ny tanindrazana iombonany fa tsy lovan'ny ray aman-dreniny? Tsy misy fieràna fa mandeha any ivelany tsy mampilaza, miverina eto tanindrazana toa mpangalatra, na olona nanao ratsy, ary avy any vao milaza fa nanao izao sy izao amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy.


Amin’ny teny frantsay moa dia hoe «Le pédagogue incompris». Izany hoe ilay mampianatra saro-pantarina. Ka tsy mampianatra anie na mpikaonty volan’olona no nilain’ny vahoaka malagasy fa mpitondra firenena manaja ny Lalampanorenana e! Tsapa ao ambony ao va efa alam-bahoaka tanteraka izy dia misy mampandroso hevitra diso hanadiovan-tena. Raha tsy izany ve tsy ho taomina amina «camion» ny mpianatra tany Antsiranana e? Fa Firy koa moa ny Malagasy mahavidy gazety amin’izao vary efa 3.000 ariary Mahery ny kilao? Ny vidin'ny lasantsy aoka fotsiny... Revin-gadra ny anareo ao ambony ary mampibaribary fa tsy hitanareo ny anaovana ny volam-bahoaka.


Nankaiza ilay minisitry ny Vola tamin'ny tetezamita niaraha-mitantana (tao daholo ny ankamaroan'ny antoko politika misy eto Madagasikara), sady mihaino olona no henoin'olona? Toa mampanofy... ratsy amin'izao fotoana izao. Tsy itokisako intsony mandrakizay ho doria ity Hery Martial ity. Fa entiny ho aiza hono ireo volabe azo ao ambonin'ny lamosin-dRamalagasy?

Mitodika aminao manokana aho r’ingahy «expert-comptable» mitomany «pédagogue incompris»: Sao dia ataonao hoe vendrena ary ny vahoaka tsy mandady harona. Fa io fanadiovan-tena io dia midika zavatra iray ihany koa: tena hirotsaka ho fidiana mihitsy izy amin’ny taona 2018. Tsotra ny teniko efa nahita sy niaina ny repoblika rehetra nisy teto Madagasikara sy ireo filoha voafidy : aoka etsy! Hiandry hisy Malagasy maty firy vao ho tonga saina? Aza mihevitra mihitsy hoe satria, hatreto, mbola zakan’ny vahoaka ny vidim-bary sy ny vidim-piainana ankampobeny ka dia toa omby entina any amina labatoara izy ireo. Eo amin’ny ora tsy ampoizinao no ho avy ny patsa be tsy omby vava ho anao sy ny manodidina anao. Tsy mpaminany aho fa samia ela velona hahita azy.

Jeannot Ramambazafy – 3 Mey 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 05 Mai 2017 05:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30