

Tamin’iny 25 septambra iny, zavatra hafa no tetika saika natao teto amintsika , nisy teti-dratsy tao. Marina anie fa mitombina ny fitakianareo : mijaly jiro, mijaly rano. Matoa ianareo niteny dia iaraha manaiky izany. Fa fijaliana iarahantsika manana izany.
Fa izao: mitandrema ianareo tanora : aleo isika naman’ny mpanangana toy izay naman’ny mpandrava. Raha misy faharavana eto amin’ny firenena dia fahavoazana ho an’ny Malagasy ; fahavoazana ho an’i Madagasikara, ary fahavoazana ho an’ny tanora Malagasy. Satria tsy tokony toetra mpandrava no ataontsika fa toetra miara-manorina ary miara-manangana. Raha misy olana dia handao isika hiaraka hidinika sy hametraka ny vahaolana ho an’ny firenena.

Izany ny anton-javatra niverenako teto, milaza aminareo. Be dia be ireo niteny, satria ny zavatra nitranga teto amintsika rehefa nipoaka ireny zavatra tamin’ny 25 septambra ireny. Tsy ianareo tanora anie no namaky ny magazay e ; tsy ianareo tanora anie no nandeha nandoro sy nandroba e. Tokony ho tonga saina amin’izany isika. Ny orinasako tsy mampaninona ahy izany, izay nahoriko nandritra 25 taona ao anatin’ny camera ary ho asehoko anareo izany. 25 taona.
Jereo : olona anankitelo no niditra tao; nandoro ny machines rehetra. Fantatra hoe iza ireo olona ireo. Ho “réglé-ntsika ny kaontiny” tsy ho ela moa. Tsy maintsy satria izay mpandroba tsy ho ekentsika.
Ny zavatra tian-drizareo natao dia tsotra : ny ampitson’iny, le 26 (septembre), mbola nitohy ihany ny fandrobana ; mbola nitohy ihany ny fandravana teto amintsika, mba eritreretina ny hoe : tsy nisy fanjakana intsony teto. Le 27 (septembre), hitanareo hatrany amin’ny fiangonana aza, “no-terrorizena”-, nidirana mihitsy hoe tsy misy fitondrana intsony teto.

Nilaza ny Praiminisitra tamin’izany hoe “couvre-feu” fa “défier”-drizareo mihitsy hoe tsisy “couvre-feu” izany fa mandefa hira eraky ny tanàna hoe tsisy fitondrana intsony. “Menacé-na” aho. “Menacé-na” aho, teneniko aminareo hoe: Monsieur le Président, raha mody ao Madagasikara ianao dia misy efa andia-tafika “hi-kidnapper” anao ary tsy maintsy hanery anao “hi-démissionne” (hametra-pialana) Marina nolazaiko anareo. Raha tonga eto ianao dia hisy hamono. Ary jereo tsara fa nisy niteny hoe iny fa tonga eny amin’ny aéroport” ny avion hitondra ny Filoha : nisy andian’olona nankany: Haninona ?
Fa izao : matoa aho niverina eto Madagasikara tamin’ny fomba rehetra, tsy tonga tao Ivato aho; tany amin’ny aéroport hafa no natongavako satria tsy tiako ho rava ny firenena. Tsy tiako ho potika i Madagasikara. Ary matoa aho tonga eto, niverina eto dia tiako ho renareo : tsy resaka fahefana, tsy resaka fitiavan-tseza, fa tsy tiako ho potika ity tanindrazana malalan-tsika ity, tsy tiako ho potika i Madagasikara.

Ary matoa aho mijoro te-hametraka zavatra tsara ho an’ny taranaka faramandimby. Ny zavatra tiako ary mba hiriko, ary ny zavatra ho apetrako ary zavatra ho soniaviko ary ny zavatra holazaiko : rehefa tapitra ny “mandatko”, afaka telo taona, dia mba tsy hisy iainana “délestages” izany intsony ny taranaka faramandimby sy ianareo tanora. Ho apetrako izany ary ho ataoko izany.
Eto anatrehanareo rehetra aho, eto amin’ity toerana ity, izay nanaovako kabary tamin’ny 2013. Teto amin’ity toerana ity. Ny tantara-politika... ianareo mety mbola tsy teraka tamin’izany na mety mbola 5 taona na 6 taona; fa tantara-politika no horesahiko anareo androany. Nisy krizy teto tamin’ny 2009; nisy ny fivoriana natao niaraka tamin’ny SADC, nisy ny fihaonana natao tany Maputo, Gaborone...
Ary ny tenako sy ny Filoha teo aloha, Ravalomanana, nivory tany Seychelles hamaha ny krizy. Rehefa hamaha ny krizy tamin’izany dia nivory izahay miralahy mianaka. “Izaho” hoy izy “tsy maintsy hody any Madagasikara ary izaho tsy maintsy milatsaka filoham-pirenena; samy milatsaka isika ialahy”. Izay no noteneniny mialatsiny izay noteneniny tamiko dia averiko aminareo.

Dia izao tamin’io, niteny ny SADC hoe : “Monsieur le Président, vous êtes jeune, vous avez la chance de remporter les élections ; il faut que l’ancien Président rentre à Madagascar ”. Dia samy milatsaka ianareo rehetra. Izahay SADC tsy « contre » mihitsy hoe ianao hilatsaka ho Filoha. Tamin’izany fotoana izany, nisy ny zavatra tany Côte d’Ivoire. Nisy fifidianana tany, nisy fifandonana niaraka tamin’i Alassane Ouattara sy Gbagbo : 3.000 ny isan’ny olona maty.
Ny zavatra nitranga, nankany Roma aho nihaona tamin’ny Pape François. Izaho no anisan’ny « Chefs d’État » noraisiny voalohany, ary izay angamba no nifankazahoanay. Tonga teto amin’ity toerana ity izy. Dia hoy aho mantsy amin’i Pape François hoe: « Saint Père », -se confier taminy aho- : hisy « élection » any Madagasikara ; je préfère me sacrifier que de sacrifier le peuple malagasy. Et j’ai pris la décision de ne pas me porter candidat à l’élection à Madagascar ». Dia notsofin’ny rano aho. Izay no antony tsy nilatsahako filoham-pirenena tamin’ny taona 2013.

Hanatra politika : vao nilaza aho hoe tsy hilatsaka, be dia be ny mpiara-miasa tamiko no tsy hita intsony fa dia nakary sy nakary sy nakary. Eo no nahitana ny tena namana. Izao ny zavatra mitranga, ary teto amin’ity toerana ity aho no niteny tamin’ny 2013. Misy ny nino, misy ny tsy nino hoe: nadio aho niditra teto Iavoloha ary madio aho no mivoaka eto. 2013. Ny teniko dia hoe : “ Rendez-vous amin’ny 2018 ”. Tafaverina nitondra aho ary isaorako ny vahoaka Malagasy nifidy ahy tamin’ny 2018.
Androany aho eto anatrehanareo, manatrika etoana, miteny aminareo : tsy vahaolana ny korontana izay tiana apetraka eto amin’ny firenena. Tsy tiako ho ohatran’ny an’i Haïti : tsy misy fitondrana anie any Haïti amintsika miteny izao ry zareo, fa ny “gangs” no mitantana ny firenena any. Noho izany, amin’ny maha-Filohan’ny Firenena Malagasy ahy, dia miteny aminareo aho: ho ataoko ny ezaka rehetra, aho ataoko ny fomba rehetra, mba hampamiratra sy hampisongadina an’ity Madagasikara ity. Mandra-pahatapitra ny “mandatko”.

Vita ny “mandat-ko”, mety betsaka no ho faly ary mety betsaka no mitomany any an-tokantrano any ankehitriny. Fa mitadiava ianareo hisolo ahy fa izaho tsy hilatsaka intsony amin’ny fifidianana manaraka.
Mety be dia be ny olona “hi-démissionnent”, mety be dia be ny olona hanary ahy, mety be dia be ny olona alahelo ihany koa. Fa “mission”. Matoa aho miverina eto dia “mission” nankinin’Andriamanitra ary tsy ho avelan’Andriamanitra ho resy i Madagasikara.

Tsy avelan’Andriamanitra ho hanjaka ny ratsy, fa kosa ny tetikasa rehetra izay napetrantsika, dia miteny aminareo aho fa tsy maintsy ho vitaiko, ary mbola teneniko eto indray : tapitra ny “mandat-ko”; tsy hisy “délestages” intsony eto Madagasikara. Tsy maintsy ho vitako izany ary tsy maintsy hotratrako izany./.
Andry Rajoelina, Filoham-pirenenan’i Madagasikara
Lapam-panjakana eny Iavoloha, Alarobia 08 Oktobra 2025
Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy




