]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Marc Ravalomanana : mitaraina toa zazakely sisa ve e ?!

Marc Ravalomanana : mitaraina toa zazakely sisa ve e ?!

Ndry ! Dia tsy mahomby intsony izany ny fomba fiasan’ireo mpanolo-tsainy (na Malagasy na vahiny), ka dia izy mihitsy izao no mirotsaka miaro fatratra ny tenany. Fa hono hoy aho, leiretsy : angaha mbola Filoham-pirenena izy moa ka afaka manoratra amin’itony taratasy misy ny fitombokasem-panjakana Malagasy sy ny “titre” hoe : Prezidan’ny Reoblika ? Asa fa ho an'ny Vazaha dia "usurpation de titre" no dikany io. Satria Filoha teo aloha izy araky ny Tondrozotra ihany.

Dika teny malalaka

Taratasy avy any amin'ny Filoha Marc Ravalomanana ho an'ny TroĂŻka SADC, - 12 Septambra 2012

Tompokolahy mana-kaja isany,

Voatery mizara aminareo ny trangan-javatra niseho vao aingana izaho, izay sady mifanipaka amin’ny Tondro zotra, no koa fitadiavana hevitra hanakanana tsy hiverina any Madagasikara, araky ny fanapaha-kevitry ny SADC, tamin’ny fivorian’ny SADC tao Maputo, ny 17 sy 18 Aogositra 2012. Ampiarahako amin’ity taratasy ity ny fanambarana ambany fanianana napetrak’i David Erleigh, teny amin’ny fitsaran’ny “procureur”, ny 7 Septambra 2012. Tsy iverenako eto ny vontoatin’ilay fanambarana ao anatin’io taratasy io. Ny any tiako ambara [aminareo] dia ny hoe : fanàlam-baraka mahamenatra, lavitry ny fahamarinana tanteraka tsotra izao ny mirakitra ao.

Ilay fanambarana dia milaza fa izaho, izay mipetraka aty Afrika Atsimo, dia toa hoe nanao fandikan-dalàna idiran-doza: mamporisika na mitetka hamporisika olona ao Madagasikara hamono hahafaty an’Andriamatoa Andry Rajoelina sy olon’ambony Malagasy sasantsasany.

====================

NB : marihina fa tsy misy sonia ity taratasy ity (jereo ery ambony amin’ny teny anglisy).

Ndrô mahavariana ! Izy Ravalomanana marina ve no nanoratra an’io taratasy io ? Araky ny fiteny dia mipetraka ny fanontaniana hoe: dia laza zazakely tokoa ve I Dada ka any amin’ireo Dadaben’ny SADC no mitaraina fa ampijaliana foana izy izay anjely latsakan-tany satria vao tsy ela dia “voafidy” ho Filoha Lefitry ny FJKM ? Ny Tantara aoriana no hanambara ny tena marina, ry zanalo isany. Amen.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 12 Septambra 2012

=================================

Nisy tohiny kay ilay resaka.Satria tsy tapitra teo akory ilay taratasy fa dia olona asa loatra no namita-tena nandefa azy taty amiko. Fa dia i Dada tokoa no niditra an-tsehatra mivantana, misalotra io hoe : The President of the Republic" ery ambony ery. Jereo :

Ary nobaikony Ingahy Brian Currin (mpisolovavany) hanao izay mety e. F'angaha dia tsy aninona tsy aninona mihitsy i Me Hanitra Razafimanantsoa ?

Mis Ă  jour ( Jeudi, 13 Septembre 2012 09:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30