]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Hiary Rapanoelina: mijoro ny mpikambana tao amin’ny AVM

Hiary Rapanoelina: mijoro ny mpikambana tao amin’ny AVM

Na dia mbola tanora aza dia ray aman-dreny niteraka izy ireo ary manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsy iza ireo fa ny mpikambana tao amin’ny AVM (Authentic Voices of Madagascar), tarika misy an’i Hiary Rapanoelina, ilay nomelohina higadra herintaona, sazy mihatra, satria noheverin’ireo mpitsara fa nanao heloka faotana mahafaty toa ny namono olona. Taorian’ny fanambaran’ny ambasady amerikana (eto) dia ity ny an’ireo mpikambana tao amin’ny AVM:


Mpikambana tao amin’ny AVM. Mbola kely anaka toka nefa sahy mijoro. Ka asa, hanaovan’ny fitondrana Hvm fanadihadiana tsirairay dia ho gadraina satria mpiray tsikombakomba («complices») amin’i Hiary, na koa hamoronana «dossier» dia ho lazaina fa mikasa hanongam-panjakana tsotra izao? Ô rey olona a! Ho omby ve ny fonja mandra-pialan’ity fitondrana kanosa ity, izay tsy misy tranon-kenatra ka tsy mitsahatra mitondra alahelo eo anivon'ny fiaraha-monina malagasy iray manontolo mihitsy? An, Ahoana a? Rediredy? F'iza aloha ny filohan'ny mpitsara e ("Président du Conseil supérieur de la Magistrature")?

"Izahay mpikambana tao amin'ny AVM sy ireo rehetra akaiky anay, rehefa naka fotoana handinihina lalina tamin'ny fo sy saina tony dia manao izao fanambaràna izao ary manamafy fa:

Tsy mankasitraka ny didim-pitsarana izay nomena an'i Hiary Rapanoelina (herintaona an-tranomaizina sazy mihatra)ary tohina tokoa amin'ny zava-misy ankehitriny sy ireo antony niampangana sy nanenjehana azy (fakàna an-keriny zanak'olona: tsy mari-pototra sy tsy misy idirany velively) izay tsy ara-drariny tokoa araky ny fihevitray.

Mangataka izahay mba hamotsorana azy araky izay haingana indrindra fa efa sazy mihoatra ny tokony ho izy ny iray volana an-tranomaizina (MD)."

Ny mpikambana tao amin'ny AVM – 14 Marsa 2017

Mis à jour ( Mercredi, 15 Mars 2017 03:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30