]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

Madagasikara Governemanta : fanambarana voinam-pirenena

FAMPITAM-BAOVAO

FANAMBARANA VOINAM-PIRENENA

Mahazoarivo, ny 24 Janoary 2020 - Manoloana ny voina izay nihatra tamin’ny faritra maromaro izay nateraky ny rotsak ’orana be loatra dia nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny filankevi-pirenena mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza amin’ny maha-filoha mpitantana io rafitra io azy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian teto Mahazoarivo androany.


Fivoriana izay nandinihana sy namakafakana ireo fahavoazana misy ka ahafahana mamaritra paikady entina mitondra vahaolana sy fanampiana avy hatrany ho an’ireo traboina ary hanarenana farany izay haingana ny fahasimbana misy, indrindra amin’ireo Faritra fito izay tena nitondra takaitra. Raha ny tarehimarika voaray nandritra ny fivoriana dia fantatra fa manodidina ny 80.000 ny isan’ireo tra-boina, 21 no namoy ny ainy ary 20 no tsy hita popoka, tarehimarika izay mety hisy fiovana. Misy eo ankilan’izany ny fahatapahan’ny lalana maromaro, toy ny RN4, RN6, RN7, RN1 BIS, RN3A, RN34.


Noho izany dia nanao “fanambarana voinam-pirenena” na “déclaration de sinistre national”, noho ny voina nateraky ny andro ratsy izay nitondra rotsak’orana be loatra ny Praiminisitra, ka ankoatra ny fampiasana ireo fitaovana rehetra eo am-pelatanana dia manao antso avo amin’ny rehetra izy mba hifanome Tanana amin’ny vonjy aina sy ny fanarenana ny fahasimbana.

Entanina ny rehetra ho mailo ny amin’ireo loza maro mety hiseho tahaka ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany, fahatapahan’ny andrin-jiro…; ary hanaraka ireo toromarika izay omen’ireo tompon’andraikitra.

Ny Serasera

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30