]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Praiministra Christian Ntsay, Tvm, 20.09.2020. Namerina ny voalazan’ny Andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana

Praiministra Christian Ntsay, Tvm, 20.09.2020. Namerina ny voalazan’ny Andininy faha-96 ao amin’ny Lalampanorenana

TVM sy RNM, Alahady 20 Septambra 2020 alina. Ho an’ilay hoe « Collectif des Parlementaires pour la restauration de l’Etat de droit, de la démocratie et de la bonne gouvernance » (fanontaniana napetrak’i Miora Hariniaina, mpanao gazety) tarihin’ingahy Senatora Olivier Rakotovazaha sy ny Solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre izay nilaza fa tsy ara-dalana ny nananganan’ny Praiminisitra ilay « Commission mixte paritaire » dia naverin’ny Praiminisitra Christian Ntsay, ny voalazan’ny Lalampanorenan’ny Repoblika malagasy faha-4 ao amin’ny Andaniny faha-96 :

Ny volavolan-dalàna sy ny tolo-dalàna rehetra dia dinihin’ny Antenimiera nandray azy voalohany vao ampitaina any amin’ny Antenimiera ankilany. Ifandimbiasan’ny Antenimiera roa tonta ny ady hevitra mandra-pisian’ny fandaniana rijan-teny tokana.

Raha toa ka tsy mety lany ny volavolandalàna na tolo-dalàna iray rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indroa ka misy tsy fifanarahan-kevitra tamin’izy roa tonta, na rehefa nodinihin’ny Antenimiera tsirairay indray mandeha rehefa nanambara ny fisian’ny hamehana ny Governemanta, dia afaka mandray fanapahan-kevitra ny Praiminisitra hamory vaomiera ikambanana isasahana (TTF : io ilay « Commission mixte paritaire ») izay ampiandraiketina fanolorana rijan-teny momba ireo fepetra mbola iadiankevitra.

Ny rijan-teny novolavolan’io vaomiera ikambanana io dia azon’ny Governemanta atolotra ny Antenimiera roa tonta mba hankatoavina. Tsy misy fanitsiana azo raisina raha tsy nahazoana ny faneken’ny Governemanta.

Raha toa ka tsy afaka mandany rijan-teny tokana iombonana ny vaomiera na tsy nolaniana araka ireo fepetra voalaza ao amin’ny andalana etsy aloha ilay rijan-teny, dia ny Antenimierampirenena, amin’ny alàlan'ny latsabato iandanian’ny antsasamanilan’ny mpikambana ao aminy no manapa-kevitra farany./.


Mazava fa fanoherana bontolo sy tsy am-piheverana ny an-dry Olivier Rakotovazaha sy Fidèle Razara Pierre mpanambaka vahoaka ka sahy mamadika ny tena lazain’ny Lalampanorenana. Asa hitondra an-dry zareo hankaiza fa raha ny vahoaka malagasy aloha dia efa tsy hisy ho voajonony intsony, satria mibahana loatra ny fanaratsiana sy ny fankahalana fa tsy hanakona velively ny asa ataon’ny fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina manerana an’i Madagasikara.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 20 Septembre 2020 18:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30