]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Antananarivo dibo-drano. Ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina

Antananarivo dibo-drano. Ny fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina

Manoloana ny voina sy ny tondra-drano nateraky ny oram-be nikija nandritra izay roa andro izay dia nanapa-kevitra aho ny hanemotra ny diako makany Mahanoro, androany Alarobia 19 Janoary 2022 izay tokony nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo.

Misy ireo ezaka ataon'ny mpamonjy voina ary efa hatry ny alina, mbola mitohy amin’izao fotoana izao ny fijeren’ireo tompon’andraikitra, ireo fepetra horaisina, manoloana ny fiakaran’ny rano eto Antananarivo Renivohitra.


Mila mifanampy isika amin’ny fanampiana ireo mpiara-belona traboina. Noraisin’ny fitondram-panjakana tarihiko avy hatrany ireo fepetra rehetra laharam-pahamehana manoloana ny zava-mitranga eto Antananarivo, roa andro misesy izao taorian’ny firotsahan’ny rotsak’orana betsaka izay tsy mbola fahita hatrizay teto Antananarivo.

Santionan’izany ireto manaraka ireto :

- Ny fametrahana ireo toerana miisa 18 natokana handraisana ireo traboina efa manodidina ny 8457 izay hisy ny fanomezana sakafo mafàna, lamba firakotra sy fitaovana fiarovana amin’ny Covid 19. Hisy ny fametrahana rano fisotro madio sy « cliniques mobiles » ary mpitsabo hijery ny Fahasalaman’izy ireo ;

- « Moto-pompes » vitsivitsy ihany koa no hiasa hitroaka ireo rano mitobaka eny anivon’ireo tànana maromaro izay dibo-drano ;

- Mitohy ny fanadiovana ireo tatatra maro eto Antananarivo, izay tsentsin’ny fako sy ny loto. Asa izay efa natomboky ny Fiadidiana ny Tananan’ Antananarivo ;

-Noraisina ireo fepetra mikasika ireo toeram-ponenana tandindonin-doza mety hirodana vokatry ny fihotsahan’ny tany ;

-Hamboarina afaka andro vitsivitsy Ireo làlana rehetra misy fahasimbana sy fihotsahana vokatry ny rotsak’orana Farany dia ho fiarovana ny ankizy sy hisorohana ny loza dia tsy mianatra ny mpianatra mandritry ny roa andro.

Mampahery antsika rehetra ary manentana antsika samy haka ireo fepetra rehetra ahafahantsika miaro ny aintsika.

Miray fo tanteraka amin’ireo traboina vokatry ny rotsak’orana be ny tenako ary mitrotro azy ireo am-bavaka.

Andry Rajoelina

Filoham-pirenen’ny Repoblikan’i Madagasikara

Noraisin'i Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 20 Janvier 2022 01:40 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30