]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Vatican. Naneho ny firaisankinany amin’ireo traboina tamin’ny rivodoza teto Madagasikara ny Papa François

Vatican. Naneho ny firaisankinany amin’ireo traboina tamin’ny rivodoza teto Madagasikara ny Papa François

Ao anatina telegrama amin’ny anaran’ny Papa François, nosoniavin’ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin’ny Vatican, Roma, dia naneho ny firaisany akaiky amin’ny Vahoakan’i Madagasikara izay niharan’ny loza voajanahary nifanesy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay, ny Papa Ray Masina.

Ao anatin’io telegrama nalefan’ny Biraon’ny «  Holy See Press » ao Vatican, tamin’ny 19 febroary 2022, io dia voalaza fa ny Papa François dia maneho ny « firaisankinany lalina » amin’ireo traboina tamin’ireo rivodoza namely ny Nosy Madagasikara tato anatina herinandro vitsivitsy. Io telegrama io dia nalefa nivantana any amin’ny, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina.

Araka ny fantatra dia maherin'ny 130 ireo Malagasy nidaosin’ny fahafatesana hatramin'ny fiandohan'ny volana febroary, noho ireo rivo-doza Ana, Batsirai sy Dumako nisesy nifandimby teto Madagasikara.


Fa mbola nanambara ihany koa ny Papa François ao anatin’izany telegrama izany fa « rehefa nahare aho, tao anaty fanaitainana lalina, izany ratra mafy nanjo ny Nosy Madagasikara, noho ireo rivo-doza niverimberina, ny tondra-drano ary ny faharavan’ny trano, dia maneho ny fiombonana am-bavaka amin’ireo rehetra tratry ny loza voajanahary ny tenako ».

Ny Papa Ray Masina dia « mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin’ireo nodimandry, mivavaka ho amin’ny fahasitranan’ireo maratra ary mivavaka ihany koa ho fampiononanan’izay rehetra misaona noho ny fahafatesan'ny havany sy ny faharavan’ny trano fonenany ». Manolotra fampaherezana ho an’ny manampahefana sy ny sampana vonjy maika rehetra ihany koa ny Papa François.

* Marihina fa amin’ny talata 22 febroary 2022 dia voalaza fa hiditra an-tanety, avy any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan'i Madagasikara,  ny rivo-doza Emnati izay loza voajanahary faha-efatra aorian’i Ana, Batsirai sy Dumako.

Nandray sy nandika : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 21 Février 2022 05:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30