]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Frantsa. Elisabeth Borne, vehivavy faharoa voatendry Praiminisitra

Frantsa. Elisabeth Borne, vehivavy faharoa voatendry Praiminisitra

Elisabeth Borne dia mpanao politika frantsay teraka ny 18 Aprily 1961 tao Parisy ary notendren’ny Filoha Emmanuel Macron ho Praiminisitra nanomboka ny 16 May 2022. Fa iza moa i Ramatoa Borne ?

Injeniera jeneralin'ny Tetezana, ny Rano sy ny Ala, i Ramatoa Borne, nianatra sy nahazo diplaoma avy tao amin’ny « École Polytechnique » fantatra amin’ny hoe « l’X » sy tao amin’ny ENPC (« École nationale des Ponts et Chaussées »). Préfet tao amin'ny faritr'i Poitou-Charentes nanomboka tamin'ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2014, avy eo dia Talen'ny Kabinetran'i Ségolène Royal tao amin'ny Minisiteran'ny Ekolojia ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2015. Taorian’izay dia Filohan'ny RATP (« Régie autonome des transports parisiens ») ny taona 2015 ka hatramin'ny taona 2017 i Elisabeth Borne.

Rehefa mpikambana hatramin’ny ela tao amin’ny antoko sosialista (PS) frantsay i Elisabeth Borne, dia niditra tao amin’ny antoko « La République en marche » (LREM) natsangan’i Emmanuel Macron. Tsy nahagaga izany raha voatendry ho Minisitry ny Fitanterana izy, ny volana may 2017, tao anatin’ny Governemantan’ny Praiminisitra Edouard Philippe voalohany, teo amban’ny fiadidian’ny Filoha Emmanuel Macron.

Tamin’ny volana jolay 2019, lasa Minisitry ny Tetezamita ara-tontolo iainana sy Firaisan-kinana izy, nisolo toerana an’i François de Rugy, izay nametra-pialàna. Ny taona nanaraka dia voatendry ho Minisitry ny Asa, ny Fananan’asa ary ny Fiverenana amin’ny Asa izy, tao amin'ny governemantan’ny Praiminisitra Jean Castex. Niditra tao amin'ny antoko « Territoires du Progrès » izy io taona 2020 io.

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, nahalany fanindroany an’i Emmanuel Macron, dia voatendrin’ity farany ho Praiminisitra i Elisabeth Borne, ny 16 may 2022. Izy izany no vehivavy faharoa nitana io toerana io tao amin'ny governemanta frantsay, telopolo taona taorian'i Edith Cresson, tao amin’ny governemanta fahatelon’ny fotoam-piasana faharoan’ny Filoha François Mitterrand. Izany dia nanomboka ny 15 may 1991 ka hatramin’ny 2 avrily 1992.


Ny hatsiarovako an’i Edith Cresson mandrakizay dia ny teniny tao amin’ny filazam-baovao tao amin’ny Tf1, ny volana may 1991, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety Jean-Pierre Rondeau mikasika ny «Bourse» na Tsenam-bola. Izao no valintenin’ny Praiminisitra Edith Cresson tamin’izay: « La Bourse, je n’en ai rien à cirer ». Azo adika amin’ny hoe : tsy misy rahariako an’izany Bourse izany…

Jeannot Ramambazafy - 17 May 2022

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 Mai 2022 07:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30