]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Madagasikara andramena. Ilay didin'ny tribonaly tsy nahomby tany Singapour

Asa iombonana ity fanaovan-gazety ity, fa ambonin’izany dia Tanindrazana iombonana ihany koa i Madagasikara. Mila mahafantatra ny Malagasy rehetra, na ny eto an-toerana, na ny any ivelany (ka mbola mahay mamaky teny malagasy) fa misy tsy milamina mihitsy « ao ambony ao », nanomboka taminy nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Izao mantsy: tamin’ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany notarihiny, ny 05 Febroary 2014, dia enjana tokoa izy nilaza fa: « tena hiady mafy amin’ny trafikan’andramena ». Navelom-bolo ny rehetra. Saingy, indrisy... Io ambany io ny nosoratan’ny namana ao amin'ny Midi Madagasikara, amin’ny teny frantsay, ny ampitsony 06 Febroary.


Roa taona mahery katroka ary dia nipoitra ny didim-pitsaranan'ny tribonaly mikasika io andramena io. Ny marina kokoa dia haverina ilay fitsarana any Singapour efa natao ny 25 Oktobra 2015. Nanantena ny sasany fa ho tafavoaka ny ala. Kinanjo. Nadikan’ny gazety namana « Ao Raha » amin’ny teny malagasy ny ampahany be an’ilay didim-pitsarana navoakan’ilay tribonaly tany Singapour, ny volana Oktobra 2014 iny.

Nataonay adidy eto aminy madagate.org ny mamoaka azy eto koa satria, averiko: Tanindrana iombonana ity Madagasikara ity. Tsy resaka « copié-collé » akory izy ity fa fampitàna vaova ("relais d'information") fiarovana ny tany hilevenana. Ary tsy maintsy sarotiny. Ka dia ireo ary ka mahaiza mamaky tsara fa mbola tsy vita amin’io akory ny ady amin’ny fandrobana ataon’ny olona sasany «ao ambony ao » izay sahy milaza fa «fahavalon’ny fandrosoana ny tia tanindrazana sy ny mpanohitra». Odoie e!

Mitohy ary hitohy foana ny tolonay mpanao gazety -tena mpanao gazety an!- rehefa mbola tsy manĂ ja ny lalĂ na sy izahay vahoaka sy olom-pirenena ianareo izay mandalo fotsiny ihany. Satria izahay koa no mandoa ny karamanareo, aoka hazava ny resaka! Mpiasanay ianareo fa adala izay miseho manompo anareo. Hafa ny fanajĂ na sy ny fifanajĂ na ary hafa ny manao olona ho andriamanitra kely. Ny olona tsy mahay manaja ny tenany -na iza na iza- tsy mendrika hajaina.

Jeannot Ramambazafy – 26 février 2016

Mis Ă  jour ( Vendredi, 26 FĂ©vrier 2016 17:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30