]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Fianarantsoa. Riana Andriamandavy VII: mpanjakan’ny sakaizan’ny mpandresy

Fianarantsoa. Riana Andriamandavy VII: mpanjakan’ny sakaizan’ny mpandresy

Hanolotra ny ainy ho an’i Hery Rajaonarimampianina, hono, ingahy Riana Andriamandavy VII. Dia ahoana tamin’izy filohan’ny « Jeunes TIM »? Tsy toa izany koa ve ny velirano natao? Saingy nilaozany fotsiny i Marc Ravalomanana ka nialokaloka tao amin’ny tetezamita ary lasa minisitry ny Fizahan-tany tao amin’ny governemantan’i Camille Vital izy. Izany hoe « mpanongam-panjakana » ihany koa izy sy Hery Rajaonarimampianina (minisitry ny Vola tao anatin’ny tetezamita) izany… Jereo tsara ny sary eo ambony.

Hoy i Riana Andriamandavy, tao Fianarantsoa, ny 21 Septambra 2016:

«Aminy maha lehiben’ny Senatora ato aminy faritanin’i Fianarantsoa, aleoko manono ny aiko toa izay haonganao amin’ny anaran’ny faritanin’i Fianarantsoa izao tantaniko». Marina ny azy: rehefa nofidin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ho Senatora izy dia mihevitra izy fa governoran’i Fianarantsoa iray manontolo.

Tsy mety maka lesona ao anatin’ny Tantaran’i Madagasikara mihitsy ireto Hvm ireo an ! Soa fa misy itony vidéo itony haverina aminy any aoriana any…

Zafilahy tao amin'ny Magro Behoririka

Ho hita eo ny tohiny e!... Ny kilalao mbola ho ela. Fa eto koa vao tsaroako ny fanambarana nataon’i Zafilahy Stanislas Rakotomandimby, tao amin’ny Magro Behoririka, tamin’ny androny (Septambra 2013):

«Voafitaky ny minisitra teo aloha Andriamandavy Riana ianareo ao amin’ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Mbola mitonona ho filohan’ny tanora Tim izy io, nefa efa tsy filoha intsony sady foana izany tanora Tim izany. Tetika maloto noho ny resaka tombontsoa no ataon’izy ireo amin’ny famitahana ny Zanak’i Dada any amin’ny faritra rehetra any». Notsiahivin’i Zafilahy, tamin’izany, fa efa nandadilady tany amin’i Neny teny Faravohitra izy io, raha mbola kandidà Ramatoa Ravalomanana Lalao tamin’izany fotoana izany. Ary nanoloana ireo rehetra ireo, nampitandrina ity mpiara-dia amin’i Dada ity fa mpisoloky Andriamandavy Riana. «Mitady ny fomba hisintonana ireo tanorantsika izy io. Ireo marivosalosana no ho azony amin’ izany… Ento amin’ny anaranao any ny tianao atao fa aza fitahina amin’ny anaran’i Dada sy ny anaranay ny olona».


Fijery izany an! Tsy misy trano-kenatra intsony e! Dia ahoana tokoa moa rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ingahy Hery vaovao? Satria tsy misy izany filoham-pirenena mandra-maty izany. Raha tsy hoe hisalotra ho Emperaora toa i Bokassa. Fanta-tsika anefa no niafaran'ity farany...

Io ary fa rehefa nomen’i Hery Rajaonarimampianina toerana Senatora, ary filoha lefitra ao Anosy Antananarivo mihitsy, ingahy Riana Andriamandavy VII, dia adinony tanteraka izany TIM izany. Izany tokoa ve ilay hoe mahay milomano? Dia ahoana indray rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ingahy Hery vaovao? Fa raha mora manadino ny vahoaka ny Tantara tsy manadino velively ka any aoriana any isika mahita azy, hoy Jaojoby izay.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 26 Septembre 2016 05:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30