]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ilakaka. Jean Laurent Razafimamonjy: polisy mandrahona ao aminy Facebook

Ilakaka. Jean Laurent Razafimamonjy: polisy mandrahona ao aminy Facebook

Raha mbola tsy fantatra ny mikasika ireo polisy navanon-doza nandoro trano tany amin’ny faritra Sofia tany, dia mbola polisy ihany ny sahy mandrahona mpanao gazety amin’ny alalàn’ny facebook.

Tsy hiverina hiditra lalina amin’ny tranga niseho tao aminy radio Jupiter (vakio ETO sy ETO ary ETO) aho, fa ny zava-misy dia tsy mahafehy tena mihitsy ity polisy iray ity.

Io ny lehilahy mandrahona olona nefa hoe mpitandro filaminana. Ho aiza mihitsy ary ity firenena malagasy ity e?

Jean Laurent Razafimamonjy ny anarany entiny ao aminy facebook. Tena anarany io ary tena polisy izy. Dia io nandrahona an’i Fernand Cello fa “hamboariny” hono. Hanamboatra no izy fa tsy "hanambotra" sa koa hambotry tsotra izao? Ary raha atao ary hoe hanambotra (avy amin'ny teny misambotra), taiza teto an-tany no nisy mpitandro filaminana iray manan-jo hanambotra olona iray tsy misy taratasy? Hanamboatra ianao rangaha a! Ka meloka ianao.


Samy mahalala ny dikan’io “hamboarina” io raha mbola Malagasy ihany. Fa dia ahoana loatra? Sa rehefa mpitandro filaminana dia mihevitra ho tsy matimanota satria hisy hiaro foana ao ambony ao? Tsy ampy angaha ny nanjo ny minisitrareo Anandra Norbert?


Ny mpanao gazety Fernand Cello

Ka n’inona n’inona dia nanapak’hevitra hitory azy i Fernand Cello, amin’io fandrahonana nataony io. Dia ho hitan-tsika eo raha tena tany tan-dalàna tokoa ity Madagasikara ity.


Marihina fa na ho fafany aza io fandrahonana io dia efa vita sary ary alefa any amin’ny sampana misahana ny fitoriana. Tsy resaka tahotra koa ity resaka ity fa zon’ny rehetra ny mitory rehefa hiatra aman’aina fa tsy hiandry ferapara vao hikoropaka… Ka dia asa izay ataon'ny minisitry ny Polisy vaovao, Mamy Jean-Jacques Andrianisa, notendren'ny Filoham-pirenena manokana. Sa izaho manoratra ity lahatsoratra ity no adala very saina ("aliéné mental") fa tsy misy izany fandrahonana izany? Fa... fisaorana ny dikan'io "hambotra" io? Asa...

Jeannot Ramambazafy – 06 Marsa 2017

Mis Ă  jour ( Lundi, 06 Mars 2017 14:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30