]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy SECES ANTANANARIVO. HAHATO NY ASA FAMPIANARANA

SECES ANTANANARIVO. HAHATO NY ASA FAMPIANARANA

***********************

Miverina mihetsika indray ankehitriny ny mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny anjerimanontolo na ny SECES. Mbola takian’izy ireo mandraka ankehitriny ireo  tamby samihafa izay zon’izy ireo ka tsy mbola nahazahoany valiny avy amin’ny mpitondra.

Nitatitra ary Andriamatoa Ravelonirina Gregoire, Filohan’ny SECES sampana Antananarivo, fa noho ny tsy fanatanterahan’ny fanjakana mahefa ny làlana velona eto Madagasikara, izay anisan’izany ny didim-panjakana laharana 1214-2009 mamaritra ny hanomezana ny  tambin’ny hofatrano sy ny tamby ny fikarohana ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hatramin’izao, dia tsy nisy nampiàtra io didy io.

Nisy ihany koa anefa ny fifanarahana izay natao teny Mahazoarivo ny 10 Septembra 2015, izay nanambara fa ny LFR (« Loi des Finances rectificative ») 2017 no handoavana ny ambin’ireo zo rehetra ireo. Tsy voahaja anefa izany fifanarahana izany, ary tsy nitazona ny teny nomeny ny fitondram-panjakana.

Noho izany dia nampaneno lakolosy fanairana izy ireo mpikambana ao amin’ny SECES ireo. Manahy ry zareo fa tsy ho anisan’ny tafiditra amin’io LFR 2017 io izay zon’izy ireo. Ary tsy hanaiky izany ry zareo.

TSY HO HISY TAOM-PIANARANA ONIVERSITERA AMIN’ITY TAONA ITY RAHA TOA KA …

Fitakiana izay tsy mila fampatsiahivana intsony izany araka ny fanazavan’izy ireo ary tokony ho tanterahina sy ampidirina ao amin’ny tetim-bolam-pankana 2017. Matetika re isakin’ny misy fitakiana toy izao fa tsy misy vola ny fanjakana, na koa tsy ampy ny eo am-pelatanàna.

Ny mahagaga anefa vao tsy ela dia efa nisy  filankevitry ny Minisitra izay nampiakatra ny tambikaraman’ireo olom-boafidy eto amintsika, izay raha tombanana dia tena midangana tokoa. Eo koa ny fandrenesana eny anivon’ny lalan-tsaran’ny Antenimiera  ny momba ny fanomezana fiara tsy matahon-dàlana ho an’ireo solombavambahoaka.

Fanontaniana mipetraka dia hoe : vola avy aiza ary no hanatanterahana ny fandoavana ireo voalaza tery ambony ireo? Raha milaza fa tsy misy vola ny fanjakana, tsy izany anefa ny zava-misy. Fa eo koa ny momba ny «grille indiciaire» an’ny mpiasam-panjakana izay nilazan’ny Minisitra ny Asa, Maharante Jean Dieu, mihitsy moa fa rariny ny fampiharana io «grille indiciaire» io. Saingy tsy mbola izao izany satria tsy misy vola ny fanjakana.

Noho izany indrindra no nahatonga ireo ao amin’ny SECES nanambara fa rehefa tsy ho tanteraka ny fitakiana dia hikatso tanteraka ny fampianarana ambony manerana ny Nosy. Mazava loatra fa dia ny ankizy mpianatra indray izany no hizaka ny tsy eran’ny aina vokatr’izany.

Tsy ireo ihany no takian’ny ireto mpampianatra mpikaroka ireto fa eo koa ny fangalàna ny tanin’ny  Oniversite  sasantsasany, izay nataon’olo-tsotra an-tsokosoko ary tsy mifidy andro na ora fa dia antoandro be nanahary no hanaovan’izy ireo izay fangalarana tan’ny Oniversite sy ny tany mpikarohana manerana ny Nosy izay.

Tsy andraikitra ny minisitera mpiahy fotsiny fa ny gouvernemanta iray manontolo no tokony handray andraikitra  amin’ity raharaha tany ity.

RAKOTONIRAINY Andry

 

Mis Ă  jour ( Mardi, 23 Mai 2017 14:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30