]
Les quotidiens du 02 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Andry Rajoelina. «Izaho, ianao, isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara»

Andry Rajoelina. «Izaho, ianao, isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara»

Ry Malagasy Namako,

Manakaiky ny roa tapitrisa ianareo no nametraka ny fatokisana tamiko, tamin’ny fifidianana fiodinana voalohany. Tsapako ny faniriana fanovana ao aminao ; tsapako fa miandrandra fanavotana ianao. Nandritra ny fitetezam-paritra nataoko, dia hitako ny fahantrana lalina sy ny fijaliana mianjady aminao vahoaka malagasy. Kanefa, na dia izany aza, dia tsapako ihany koa ny fanantenana misy ao aminao.

Izany fanantenana izany no hampandresy antsika. Handroso isika tsy hihemotra. Manomboka eto dia ho resen-tsika ny tsy fisian’ny asa, ny tsy fahampin-tsakafo, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly sy ny jadona. Tsy afaka hilavo lefona manoloana izany zavatra iainan-tsika izany isika, ary adisoana eo anatrehan’ny Tantara ny tsy fandraisana andraikitra.

Koa ho fanatanterahana izany, dia hametraka tanjona iraisana ; hametraka vina vaovao, drafitra maty paika miaraka amin’ny mpitarika manambatra ny Malagasy tsy ankanavaka. Mpitarika mijoro ary mitsinjo lavitra, sahy manao velirano amin’ny vahoaka malagasy. Fa indrindra, mila anao aho ry Malagasy hifanome tànana. Ireo rehetra ireo no miaraka amin’ilay Lehibe indrindra dia ny Fitiavana : fitiavana handroso ; fitiavana hifanavotra ; Fitiavan-tanindrazana.

Ho asehon-tsika amin’ny faha-19 Desambra ho avy izao izany Firaisankina sy izany Fitiavan-tanindrazana izany. Koa andao ary hifidy ny Fandrosoana ; andao hifidy ny Rariny sy ny Hitsiny ; andao hifidy ny Fanarenana ny Firenena ; andao hifidy ny Fahazavana ; andao hifidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo ; andao hifidy ny Ambo-po-pirenena sy ny Fitiavan-tanindrazana.

Afahantsika manatratra ao anatina fotoana tena fohy ny fahatarana ara-toe-karena tao anatin’izay 58 taona izay ka tsy any amin’ny laharana farany intsony ny toerana hisy an’i Madagasikara eo anivon’izao tontolo izao, fa mba ho modely sy fitaratra eto anivon’ny Oseana Indiana sy aty Afrika isika.

Koa velirano no ataoko aminao ry vahoaka malagasy. Ny vina izay ho atolotro dia ho tanterahan-tsika ary azo refesina sy tsapahin-tànana. Mijoro miaraka aminao aho ; mijoro ho vahaolana ho an’ny Firenena aho ; mijoro ho mpiaro ny Malagasy ; mijoro ho mpiaro ny Tanindrazana.

Ho filoham-pirenena tsy hanavaka na hanilika aho fa hampitambatra ny vahoaka malagasy iray manontolo ; ho filoham-pirenena mendrika ny safidinao aho ary hametraka an’i Madagasikara eo amin’ny toerana tokony misy azy. Ary ho reharehan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka.

Koa ampio aho ry Malagasy namana ; ampio aho mba hanavotra ny Firenena ; ampio aho mba hafahako manampy anao. Raiso ny tànako, andao hifanome tànana isika. Tonga izao ny fotoana ! Andao iray hina isika ka ho porofointsika amin’izao tontolo izao fa miray fo, miray saina, miray feo isika Malagasy hanandratra ity Nosy malala-tsika ity.

Tsy maintsy ho avotra i Madagasikara, tsy maintsy ho tafita ny Malagasy. Izaho, ianao, isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara.

Masina ny Tanindrazana fa ny Fitiavana no lehibe indrindra.

Andry Rajoelina n°13

Mis à jour ( Jeudi, 06 Décembre 2018 01:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON