]
Les quotidiens du 02 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagascar REGAP. Nahazo marim-pamantarana ara-pomba ofisialy

Madagascar REGAP. Nahazo marim-pamantarana ara-pomba ofisialy

REGAP : ANDRY SY TOKY

Notanterahina ny Alatsinainy 16 desambra 2019 ny fanolorana ny marim-pamantarana («Insigne de Corps») ara-pomba ofisialy ny Vondrona mpiaro ny Filoha.

Nanolotra izany teny Iavoloha, toby misy io Vondrona io, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Rakotonirina Théophile. Nisolo-tena ny Filoham-pirenena kosa ny Sekretera Jeneraly lefitra ny Fiadidian’ny Repoblika.

Nandritra ny lahateny no nitondran’ny Lehiben’ity Vondrona ity, ny Kolonely Rabenjamina Thierry, ny Tantaran’ny vondrona sy ny niandohany. Ny faran’ny taona 1990 no nitsangana ny Rezimanta mpiaro ny Filoha, ka izao 30 taona latsaka kely aty aoriana izao vao nisitraka izany marim-pamatarana izany io Vondrona io. Vondrona izay ahitana miaramila sy polisy ary zandary.


Tamin’ny fitsanganany voalohany dia nantsoina hoe COSEP («Compagnie de Sécurité Présidentielle») ity Vondrona ity, izay teny Ambohitsorohitra no nisy Foibeny, talohan'ny nahavitana soa aman-tsara ny trano itobian’ireo Vondrona ireo eny Iavoloha. Dia niova ho RESEP («Régiment de Sécurité Présidentielle») izay lasa REGAP («Régiment de Garde Présidentielle») amin’izao fotoana izao.

Ny taona 2000 dia nitsanganan’ny indray ny BCS («Bataillon de Commandement et de Sécurité») misahana ny fiarovana ny Andrim-panjakana rehetra. Ny an’ny Praiminisitra, ohatra, dia ny BSP («Bataillon de Sécurité de la Primature») no miaro azy.

Ny taona 2005 no noforonina ny logo sy ny hira fanevan’ny Vondrona mpiaro ny Filoha. Izany Ravelona Edgard izany, fony izy Kapiteny, no nipoiran’ny famoronana azy roa ireo ary noezahiny natsaraina hatrany ilay hira faneva.

Nandrita izay valo volana lasa izay (May-Desambra) dia maro no efa vita ary mbola maro ny adidy miandry. Nisy ihany koa ny nampalahelo izay nisian’ny famaizana ny Cercle Mess ao Iavoloha tamin’ny 14 Novambra 2019. Anisan’ny hetahetan’io Vondrona io ny hanarenana izany Cercle Mess izany.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mardi, 17 DĂ©cembre 2019 11:01 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON