]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Sénateur Lylison René: Tsy haharitra io fitondrana io

Sénateur Lylison René: Tsy haharitra io fitondrana io

ETO NY VIDEO


Mikasika ny gouvernement vaovao, ny teo ihany no navadibadika, dia manamarina ilay teny nolazaiko foana hoe: tsy misy olona intsony eo an-damosin’io filoham-pirenena io. Izany hoe tsy manàna manam-pahaizana, tsy manàna tanora relève intsony ny Hvm ka ny teo ihany no navadibadika.


Ny mikasika ny firafitry ny gouvernement: gouvernement narafitra mba hanomanàna ilay 2018. Ny Premier ministre no natao ministre de l’Intérieur, nanao ministre de la Décentralisation. Ny dikany izay, efa miomana sahady amin’ilay fangalaram-bato.


Hitanareo koa fa ny ministre de l’Industrie amin’izao dia Lehibe ana Chambre de commerce tany Fort-Dauphin.

Ny dikany izany dia efa fanomanan’ny président Hery sahady an’ilay Zone économique spéciale any Fort-Dauphin. Hoentina hamarotàna tanindrazana, hahamoramora ny fananganàn’ireo Maorisiana industries any amin’io toerana io.


Ka eto aloha aho dia miteny kosa: raha mbola ho tanterahin’ny filoha io famarotàna tanindrazana amina Maorisiana io, dia hijoro ny tenako, sénateur Lylison, hanohitra amin’ny heriko rehetra io famarotàna io tanindrazana io satria hiteraka fampidirana fitaovam-piadiana eto io, hiterala halatr’omby hitsofoka ao amin’io Zone économique spéciale io hiteraka trafic illicite ana vatosoa sy harena rehetra eto Madagasikara.

Ka hanakorontana antsika io. Dia mampitandrina ny tenako fa tsy anaiky moramora ary tsy anaiky mihitsy ny fametrahana io.


Izaho aloha tsy mahatoky fa hahatody izany 2018 izany io fitondram-panjakana io, satria io fitondram-panjakana io dia miaina aminy tsy fanarahan-dalàna. Na ny fananganana ny gouvernement efa tsy ara-dalàna. Ny fanodikodiana volam-panjakana efa ahitana porofo. Efa misy dossier.


Ny afera ana bois de rose, mahavaofaoka izy mianakavy ao amin’ny présidence, eny misy officier général voatonona ao amin’ny présidence, manao bois de rose.


Ireny kidnapping: nankaiza izao ilay afera ana kidnapping tany Toamasina?


Izaho mino fa iray volana, roa volana dia hianjera io fitondram-panjakana io.

Nandray an-tsoratra sy nanatontosa ny vidéo: Jeannot Ramambazafy – 21 Avrily 2016

Mis à jour ( Jeudi, 21 Avril 2016 07:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30