]
Les quotidiens du 02 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Kongresy amerikana. 6 ny mpikambana tonga, nizaha ary hitsara ny zava-misy marina

Madagasikara. Kongresy amerikana. 6 ny mpikambana tonga, nizaha ary hitsara ny zava-misy marina

Mbola tsy nisy mpitondra mpandainga sy tsy miraharaha vahoaka toa ireto Hvm ireto mihitsy teto Madagasikara, hatramin’izay niainako. Ary efa ela nihetezana aho fa tsy zaza vao omaly akory. Manana ny tombontsoany eto tokoa aloha ny Etazonia, toa ireo firenena matanjaka rehetra aty Afrika. Kanefa, tsy misangy mihitsy ry zareo rehefa resaka fitondra tsara tantana (« Bonne gouvernance »), fanajana ny lalàna (« Etat de droit ») sy ny zon’olombelona (« respect des droits de l’Homme »), ny ady amin’ny kolikoly (« Lutte contre la corruption »), ary indrindra ny fahafahana maneho hevitra (« Liberté d’opinion ») ka tafiditra amin’izany ny fahafahan’ny mpanao gazety (« Liberté de presse ») sy ny fahafahana miteny an-kalalahana (« Liberté d’expression »). Tsy adino ny fanajàna ny atao hoe Demokrasia.


AIza ho aiza ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’ireo rehetra ireo? Ny sasany moa nanaovany propagandy nefa dia samy mahalala ny zava-misy daholo isika vahoaka malagasy monina eto an-tanindrazana. Ny 25 Janoary 2018 dia tapitra ny fe-potoana iasan’i Hery vaovao. Izany hoe, amin’io daty io tokony filoha voafidy indray no ho eo amin’ny fitondrana.


Tsy kisendrasendra ny nahatongavan’ireto mpikambana enina ao amin’ny Kongresy amerikana ireto. Taminy taona 2012 no nisy koa. Izany hoe herintaona alohan’ny fifidiana filoham-pirenena foana. Ao raha… Ireto avy ary izy ireo fa miandry ny tatitra ho ataony rehefa tafaverina any Etazonia. Satria raha ny mpitondra no henoina dia manga foana ny lanitra e ! Mavandy avao !


Jeannot Ramambazafy – 18 Aogositra 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 18 AoĂ»t 2017 15:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON