]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Praiminisitra Ntsay Christian. « Miatrika fanamby maro ny firenena »

Praiminisitra Ntsay Christian. « Miatrika fanamby maro ny firenena »

Ny Praiminisitra Ntsay Christian

Mahazoarivo, 16 novambra 2020. Namory an’ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana manerana ny nosy (« Organisme Mixte de Conception OMC – National ») teto amin’ny Lapam-panjakanan’i Mahazoarivo, androany, ny Praiminisitra Ntsay Christian, momba ireo fepetra maro lafy samihafa, tsy maintsy horaisina ao anatin’ny fametrahana hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena.


Notsiahiviny, amin’ny maha-Lehiben’ny governemanta azy, fa vovonana iray andinihana mahakasika ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena ny « OMC », ary amin’izao fotoana izao indrindra dia maro ireo zavatra tsy maintsy atrehina ho fanamby ka ilaina tohizana ny fametrahana ny fitoniana sy ny fandriampahalemana. Isan’izany ohatra ny fanomanana ny fifidianana izay hotanterahina amin’ny faha-11 desambra ho avy izao, satria araka ny Lalàmpanorenena dia hifarana ny fepotoana iasan’ireo Loholon’i Madagasikara, ka nojerena ny fandraisana andraikitra isan-tsokajiny mba hahatomombana izany fifidianana izany, araka ny  tanjona napetraka.


Nojerena nandritra izao fivoriana izao ihany koa, hoy ny Praiminisitra, ny mahakasika ireo toe-javatra manahirana miseho amin’ny endriny samihafa manerana ny nosy, toy ny halatr’omby, ny firongatry ny herisetra atao amin’ny olombelona, ary ny trangam-piaraha-monina hafa, izay samy nandraisana fanapahan-kevitra androany avokoa.


Miatrika fanamby maro ny firenena, hoy ihany ny Lehiben’ny governemanta, ary iaraha-mahalala fa maro toy izany koa ireo ambana misy eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fiatrehana ny doro tanety sy ny heloka isan-karazany mahakasika ny fanimbàna ny tontolo iainana, eo koa ny ambana amin’ny asa fampihorohoroana ; ary adidin’ny « OMC » ny mifehy an’izany rehetra izany ao anatin’ny fampanjakana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.


Nanamafy ireo fepetra noraisin’ny filankevitry ny Minisitra mikasika ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny fanolanana zaza tsy ampy taona ihany koa ity fivoriana ity, tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra momba ny hamerenana ireo ivon-toerana fanabeazana ny ankizy voaheloka, ary nojerena akaiky ny hanafainganana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy fiampangàna olona meloka rehetra, mba tsy hisian’ny fanalefahana sazy  sy ny fanomezana fahafahana vonjy maika raha voamarina ny fahamelohana.

Ireo mpikambana ao amin’ny « OMC », hoy ny Praiminisitra, no handray an-tanana ny fanaovana fanentanana sy fanazavàna ny andinin-dalàna mahakasika izany, eny anivon’ny fiaraha-monina, eny anivon’ny Fitsaràna, ary eny anivon’ny mpitandro ny filaminana, mba hisorohana an’ireo zavatra voalaza ireo (…).

Ny Serasera ao amin’ny Primatiora

Mis à jour ( Mercredi, 18 Novembre 2020 09:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30